- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailand: Fiaramanidina nianjera tao Phuket

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Tsidika, Vaovao Mafana, Voina

Flights in and out of Phuket cancelled

Manoratra momba ilay fiaramanidina nianjera tao amin'ny seranan'i Phuket androany tolakandro ny mpitoraka blaogin'i Thailand. Phuket dia toerana fizahantany be olona tokoa ary tian'ny mpizahatany na avy any ivelany na avy ao an-toerana amin'ny moron-dranomasiny. Tonga avy any Bangkok ity zotra OG269, izay tantanan'ny budget airline [1], ity ary nitondra mpandeha Thai sy vahiny. Ny vaovao farany dia nilaza fa nisy hatramin'ny 88 ireo namoy ny ainy.

Toa izao no nanoratan'i The Lost Boy izay avy ao Phuket azy tao amin'ny about the cause of the crash [2].

At about 3.45 pm, the pilot attempted to land the plane but got into difficulties due to strong winds. The plane began to loose control and the pilot tried to take off again.

Already out of control and travelling with insufficient speed to lift the plane off the ground, the aircraft skidded off the runway, crashed into walls and trees and broke in two.

Teo amin'ny tamin'ny 4 ora latsaka fahefany tolakandro dia nanandrana nampidina ilay fiaramanidina ny mpanamory saingy tojo olana noho ny rivotra nifofo mafy loatra. Tsy tafatombina araka ny tokony ho izy nefa izany ka niezaka niakatra indray ilay mpanamory.

Koa satria efa tsy voafehy tsara intsony ary tsy ampy koa ny hafainganam-pandeha ilaina hampiainga ny milina dia nibolisatra nivoaka ny seranana ilay fiaramanidina ka nidona tamin'ny hazo sy ny rindrina nanodidina teo ary nizara roa.

Nisy ihany koa lahatsoratra izay nosoratan'i The Lost Boys izay maneho ny toerana nitrangan'ny loza tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Phuket [2]

Bangkok Pundit moa dia manavao hatrany ny blaoginy [3] mitantara ny vaovao farany.
Naneho ny fiaraha-miory ho an'ny fianakavian'ny mpandeha sy ny mponin'i Phuket [4] i Lilian:

My heart goes out to the passengers, the families. But also to the hospital staff, police, rescue workers etc have had their more than their share, of injuries and deaths to deal with all after all they went through after the tsunamiā€¦

Mahatsiaro manokana ny mpandeha, sy ny fianakaviany aho. Fa indrindra koa ireo mpiara-miasan'ny hopitaly, ny polisy, ny mpamonjy aina sns izay nanao mihoatra izay zakany tokoa ho an'ireo naratra sy namoy ny ainy efa hatramin'izay nisian'ny tsunami…

Namoaka ny lisitry ny laharan'ny azo antsoina moa ny takelaky ny tompon'ny zotra [1] ho an'izay hanadihady bebe kokoa momba ny loza:

Please temporarily contact the following numbers (in addition to 1126) for any inqueires regarding the accident of OG/OX269 at Phuket
085-155-4622
085-911-5092
085-918-3422
02-535-7662
02-504-3227
02-504-3641

Azo antsoina ireto laharana ambany ireto (ankoatry ny 1126) ho an'ireo izay mila fanazavana kokoa momba ny loza nitranga tamin'ny OG/OX269 tao Phuket

085-155-4622
085-911-5092
085-918-3422
02-535-7662
02-504-3227
02-504-3641

(Ny code hiantsoana an'i Thailand dia 66)

Preetam Rai [5]