Tantara 7-n'ny Global Voices Nanakoako Tamin'ireo Mpamaky Ny Taona 2017

Ireo nankafizin'ny mpamaky Global Voices tamin'ny 2017.

Tamin'ny 2017, nihoatra ny 1.600 ireo tantara tamin'ny teny Anglisy navoakan'ireo mpanoratra teto amin'ny Global Voices, lohahevitra nainga tamin'ny  ‘fitoavana fampangatsiahana’ mandeha tsy misy herinaratra hatramin’ilay dikateny tokan'ireo fitenim-pirenena kely. Nosoratana izy ireny, nohadihadiana ary nadikan'ny maro tamin'ireo mpikambana 1.200 ato amin'ny vondrona misy anay, izay mipetraka sy miasa any amin'ny firenena maherin'ny 170 manerana izao tontolo izao.

Hita manerana izao tontolo izao ihany koa ireo mpanaraka anay. Manahirana ny mamantatra hoe iza no tantara “sangany” na “tsara indrindra” tato amin'ny Global Voices, indrindra fa samihafa ny fidonan'ireo lahatsoratra isankarazany arakarak'ireo mpamaky azy. Samy manana ny dikany avy ny tantara tsirairay. Kanefa avy amin'ireo fanapotserana, tiana (j'aime), fizaràna  (partage) ary ireo fanehoankevitra ao amin'ny Facebook, afaka mahazo tondro fanazavàna isika.

Raha izany no atao ao an-tsaina, indreto ny sasany amin'ny ankafizin'ireo mpamaky  tamin'ny 2017.

Ognen Čemerski miaraka amin'ny nàmany ary mpiara-miasa aminy, Jasna Koteska, nandritry ny Filaharamben'ny Mpianatra, ny 14 Novambra 2014. Sary avy amin'i Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

1. Makedoniàna  i Ognen Čemerski, 42 taona, nandika ny ‘Moby-Dick’, ary  Manampahaizana momba Ny Teny Tena Mitandrina Fatratra, Mpanabe Feno Fandavantena

Raha resaka momba ny fanapotserana, fanehoankevitra sy fizaràna, ity lahatsoratra avy amin'i Filip Stojanovski ity, toniandahatsoratry ny Global Voices ao Eoropa Atsinanana sy Afovoany, no iray amin'ireo tantara nalaza indrindra ny taona 2017 tao amin'ny pejy Facebook Global Voices. Nandany 12 taona tamin'ny fandikàna ny “Moby-Dick” ho amin'ny fiteny Makedoniàna i Ognen Čemerski, izay maty tamin'ny volana Aogositra.

Ny tsy fahampian'ny voambolana Makedoniana momba ny fiondranana an-tsambolay sy ny fihazàna trozona no tena olana goavana amin'ny fandikàna boky hatramin'ny taona 1851. Monina any afovoantany ny ankamaroan'ny razamben'ireo mponina Makedoniàna efa anjato taonany maro, ka tsy dia tena afaka nifanerasera tamin'ny ranomasina amin'ny ankapobeny ary ny indrindra ny fiondranana an-tsambo. Mba handresena izany anefa, voatery namerina nandrafitra voambolana i Čemerski rehefa sambany nahita ny fototra niaingàn'ny voambolana Anglisy, avy eo nitady ny dikanteny mitovy aminy amin'ny fiteny Makedoniàna na fiteny Slavy hafa.

Vakio eto ny lahatsoratra.

Sary fanehoana avy amin'i andresAzp, azo jerena ao amin'ny Flickr: “Hettsipanoherana ny harivan'ny 15 Febroary tao Altamira. Caracas, Venezoelà. Famoahana nampiasàna ny fanomezandàlana Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0)

2. Ho An'ny Governemanta Venezoeliàna, “Fampihorohoroana” Ny Fanaovana Hetsipanoherana

Anisan'ireo lahatsoratra be mpizara indrindra tao amin'ny pejy Facebook Global Voices ny taona 2017 ity tantara ity :

Mpanao fihetsiketsehana miisa enina no namoy ny ainy, voampanga ho mampihatra fampijaliana amin'ny mpanao fihetsiketsehana mba hahazoana fibabohana hosoka momba ny “fampihorohoroana” ny governemanta entin'ny Filoha Maduro, ary mandeha eny amin'ny tambajotra  sosialy ny porofon'ny fanararaotana ataon'ny polisy. Tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana tao Venezoela hatramin'ny faran'ny volana Martsa na teo aza ny famoretana misy.

“Tsy ampy velively ny vola, ny fanafody tsy misy, ary feno jiolahy ny arabe, kanefa tsy avelanareo manao fihetsiketsehana aho ambonin'izany rehetra izany?,” hoy ny mpanao fihetsiketsehana iray nampijalian'ny polisy […]

Vakio eto ny lahatsoratra.

Sary: Erin Gallagher

3. Amerikana Iray Mpanao Zavakanto, Nanao Tombokavatsa Misy Soratra “MIFAHARA” ho an'ny Antony Tsara

Anisan'ireo lahatsoratra be mpizara indrindra tao amin'ny pejy Facebook Global Voices ity lahatsoratra iray manasongadina mpanakanto mpanao tombokaatra ao Etazonia ity, izay manolotra maimaimpoana sarinà tobokavatsa amin'ny lohahevitra “RESIST”  (MIFAHARA) ho an'ireo izay manolotra $100 no mihoatra ho an'ireo asa fanasoavana.

Nate Kaschak, dia miasa ao amin'ny A Psychic Unicorn, trano fiasàna fanaovana tombokavatsa sy zavakanto itambaran'i Rhi sy Chris Wallace ao amin'ny tanànan'i Kingston, Pennsylvania, misy mponina manodidina ny 14.000. […]

Manambara i Kaschak fa leo an'ireo fijery miiba marobe ety anaty aterineto ka te-hampahery ireo olona mba ho feno fahavitrihana fa tsy ho be taraina.

Vakio eto ny lahatsoratra.

Fanavaozana sata Facebook avy amin'i Lara Quentrall-Thomas, izay manambara fa, “Vaovao tena tsara! Lany ny tolodalàna momba ny fanambadiana. Fetran-taona ambany indrindra – 18 taona, Fifidianana – 35 nanaiky – 0 no nanohitra!!!!”

4. Tsy Misy Intsony Ny Fampanambadiana Ankizy Ao Trinidad & Tobago

Ity lahatsoratra ity no nahazoana “tiana” betsaka indrindra tao amin'ny Facebook:

Tamin'ny 9 Jona 2017, nolanian'ny parlemanta tao Trinidad & Tobago tsy nisy nitspaka ny lalàna izay mandràra ny fomba fanao amin'ny fampanambadiana ankizy, ka hanova ny fetran-taona ara-dalàna ho 18 taona.

[Na izay aza] ny fanoheran'ny mpitondra fivavahana no somary nanasarotra ny raharaha izay tokony ho zavatra tsotra kely, ary taminà teboka iray aza, nisy fisalasalàna raha hanohana ilay tolodalàna ihany na tsia ireo mpanohitra.

Vakio eto ny lahatsoratra.

Iray amin'ireo sary meme fanta-daza ao Brezila ity vehivavy “sahiran-tsaina ” eo ambony ity. Nilalao tamin'ny toeranà olona iray to anaty andian-tantara mitohy iray, naka zazakely an-keriny sy namono ireo rehetra nanakana ny làlany, izy tamin'ny taona 2004 | Sary: Twitter/Naverina namboarina.

5. Raha Te-Hahafantatra An'i Brezila Ianao, Mandehana Mizaha Ireo Sary Memes ao Aminy

Firenena fahaefatra manerantany isan'ireo manana mpampiasa aterineto be indrindra  i Brezila. Ny Paortiogey no tenim-pirenena ofisialy ampiasain'ny Breziliàna ary tsy miteny Anglisy ny maro an'isa amin'ny vahoaka ao. Koa satria teny anglisy no mibahan-toerana amin'ny ankamaroan'ny aterineto, namorona tontolo niomerika iray midadasika ho azy ireo mampiasa ny teny paortigey ry zareo Breziliàna. Rehefa hiresaka amin'ny fomba fiteniny izy ireo no tena mampiasa azy ity — izany hoe, memes maromaro.

Ary toy izany no niantombohan'ity tantaran'ny kolontsain'ny aterineto Breziliàna ity, izay nahazo ny sasany tamin'ireo fizaràna, fizahàna ary fanehoankevitra betsaka indrindra tao amin'ny Facebook ihany koa ny taona 2017.

Vakio eto ny lahatsoratra.

Fertilized Duck Eggs – Hột Vịt Lộn aka Balut

Lamokan'atodin-gana – Hột Vịt Lộn aka Balut. Loharano: Flickr / shankar s. (CC BY 2.0)

6. Sakafo Dimy Avy Ao Vietnam Izay Mety Ho Sarotra Atelina Ho An'ireo Tsy Vietnamiàna

Tsy misy mahatoraka an’ity tantara tamin'ny 2017 ity raha resaka “tiana” (likes), fizaràna (share) ary fanehoankevitra, izay mandrakotra ireo sakafo sasantsasany avy any Vietnam, ka ahitàna sakafo iray antsoina hoe “balut”:

Ny Balut dia lamokan'atodin-gana, nampangotrahina ary hanina anaty akorany. Eo amin'ny  faha-19 na faha-21 andro eo, efa hary ilay gana kely ao anatiny ka tsapanao mikarepoka ny taolany. Ny fomba tsara indrindra ihinanana ity tsiro iray ity dia ny fanampiana sira kely, fitrohana ny ranony ary mitsako rau răm, raviny roa na telo eo ho eo, na kotimila vietnamiàna

Vakio eto ny lahatsoratra.

Bassel Khartabil. Sary avy amin'i Joi Ito tao amin'ny Wikimedia (CC BY 2.0)

7. Global Voices Manome Voninahitra ny Fiainan'ilay Mpikatroka ho an'ny Tranonkala Malalaka ,Bassel Khartabil, Novonoin'ny Fitondràna Siriàna

Tamin'ny 2017, nalahelo mafy tokoa ny vondrom-piarahamonina Global Voices raha nandre ny fahafatesan'i Bassel Khartabil, izay novonoin'ireo manampahefana siriàna.

Mpitarika ny Creative Commons tao Siria izay tena navitrika tamin'ireo tetikasa mar, anisany ny Mozilla Firefox sy Wikipedia, Bassel Khartabil (aka Bassel Safadi) dia nitàna anjara toerana fototra tamin'ny fanitàrana ny fahafahana miditra ny aterineto sy tamin'ireo loharanom-pahalalàna misokatra ho an'ny daholobe tao Siria. Namama akaiky izy ho an'ny maro tato anatin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ary nandray anjara tamin'ilay Fihaonan'ireo Arabo Bilaogera tamin'ny 2009.

Iray tamin'ireo tantara be mpamaky indrindra teto amin'ny Global Voices tamin'ny 2017 ny lahatsoratra iray niresahana ny fahafatesany.

Vakio eto ny lahatsoratra.

Nevin Thompson dia manampy amin'ny fitantanana ny media sosialin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.